Dadagaby: Nalevina omaly tolakandro teny Alatsinainy Ambazaha

  • lundi, 04 juin 2018 09:30
  • Britto
  • Sary nindramana

Notanterahina ny tolakandron’ny alahady 3 jona 2018 teny Alatsinainy Ambazaha, lalana miazo an’Antsahadinta, Atsimondrano misy ny fasan-drazany ny fandevenana ny nofo mangatsiakan’i Dadagaby na Rakotomavo Gabriel, mpanorina ny tarika Voninavoko.

Niala teny Ambohikely-Ampitatafika ny razana ary natao veloma farany tao amin’ny Fiangonana FJKM Ivatobe Famonjena Alatsinainy Ambazaha.

Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany ny 31 may 2018 i Dadagaby, rehefa tratry ny tsy fahasalamana tampoka ny sabotsy 19 may 2018, ka nampidirana hopitaly azy tao amin’ny HJRA Ampefiloha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.