Mpanakanto: Nodimandry i Clarisse (NY VOANIO)

  • lundi, 16 avril 2018 12:11
  • Britto
  • Sary nomena

Nindaosin’ny fahafatesana androany maraina tao amin’ny hopitaly Be Toamasina i Clarisse rehefa nolazoin’ny aretina fotoana naharitra. Iray amin’ireo nandrafitra ny tarika NY VOANIO i Clarisse. Anisan’ny hira nahafantarana azy ny “Je ne peux pas t’oublier”.

"NY VOANIO" dia tarika niforona teto Toamasina tany amin'ny taona 1965 tany. Maro ny hira nampalaza azy ireo tamin'izany no mbola mitohy henontsika hatramin'izao, na dia tsy dia miaka-tsehatra intsony aza ity tarika ity.

Dimy mianadahy no mpikambana ao anatin'NY VOANIO dia i Clarisse - Monique - Paquerette - Fara ary i Max. Efatra mirahalahy kosa no mpitendry mozika dia i Zo - Phil -Jean de Dieu ary i Lalaina.

Efa lasana nandao nialoha an’i Clarisse i Fara sy Pâquerette ary Max.
Monique sisa no mitana ny kanton'izy ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.