Ampary: Nosakanan'ny Emmo-Reg ny fampisehoana tokony hataon'i Black Nadia

  • samedi, 14 avril 2018 18:53
  • Britto

Nisavorovoro teto Ampary, Distrikan'i Soavinandriana androany. Feno mpitandro filaminana avy amin'ny Emmo-Reg Itasy teto an-tanàna androany, araka ny baikon'ny solontenam-panjakana aty an-toerana, nanakana ny fampisehoana tokony hataon'i Black Nadia, izay karakarain'ny Katolika eto an-toerana ary efa nahazoana alalana.

Teny an-dalana hiazo an'Ampary ny tarika Black Nadia no voasakana tsy hanohy ny diany, toy izany koa ny fanamafisam-peo.

Efa nahazo alalana tamin'ny Kaominina hanao fampisehoana eo amin'ny kianja filalaovana baolina kitra eto Ampary ihany koa ny tarika Rossy, amin'ny Alatsinainy 23 aprily.

Sady andro fianarana io no akaiky sekoly CEG ny toerana hanaovan'ny tarika Rossy fampisehoana io ary mitarika famoriam-bahoaka ka nofoanan'ny Distrika ny fanatanterahana azy hoy ny loharanom-baovao.

Ity fanafoanana ny fampisehoana tokony hataon'i Rossy ity no nitarika ny fanafoanana ny fampisehoana tokony hataon'i Black Nadia androany sy izay mety ho famoriam-bahoaka rehetra amin'iny Faritra Itasy iny, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.