Horonantsary fanadihadiana: Misy Amerikana roa mpanantontosa hizara traikefa eto Madagasikara

  • vendredi, 13 avril 2018 14:42
  • Britto

Mandalo eto Madagasikara ireo mpanantontosa horonantsary fanadihadiana amerikana miisa roa, Rtoa Amy Scott sy Atoa Marc Levin, izay avy amin’ny fandaharanasa “American Film Showcase” vatsian’ny Departemantam-panjakana Amerikana vola, ary tanterahan’ny University of Southern California School of Cinematic Arts, ka nasain’ny Masoivoho Amerikana ho avy eto Madagasikara.

Handray anjara amin’ny hetsika Rencontres du Film Court (RFC) izay hatao amin’ny herinandro ho avy izao izy ireo. Hisy mandritra izany ny fandefasana horonantsary arahina adihevitra :

• Alatsinainy 16 aprily amin’ny 11 ora - IFM Analakely : “Class Divide” notontosain’i Marc Levin
• Talata 17 aprily amin’ny 1 ora – Amphi 10 - Oniversiten’Antananarivo : “Class Divide” notontosain’i Marc Levin
• Alarobia 18 aprily amin’ny 9 ora - E-Media : “Class Divide” notontosain’i Marc Levin
• Zoma 20 aprily amin’ny 2 ora – Cinepax : “Oyler” notontosain’i Amy Scott

Misy ihany koa ny fifanakozalana sy fifampizarana traikefa momba ny famokarana horonantsary fanadihadiana izay hataon’izy ireo eny amin’ny American Center Tanjombato ny alakamisy 19 aprily sy zoma 20 aprily momba ny :

• “Fiainana amin’ny maha mpanao gazety sy mpanatontosa horonantsary”, miaraka amin’i Amy Scott
• “ Famokarana horonantsary fanadihadiana mafonja”, miaraka amin’i Marc Levin
• “Storytelling and activism”, miaraka amin’i Marc Levin

Misokatra ho an’ny besinimaro ary maimaim-poana avokoa ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika ireo, ary ny fifanakalozana dia arahana fandikan-teny avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.