Mahajanga: Rava maina ny alim-pandihizana nafanain'i Black Nadia

  • dimanche, 25 mars 2018 13:36
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Fahasorenana ny an'ireo mpamonjy alim-pandihizana teny amin'ny La Promenade Bord de la mer-Mahajanga alina. Teo ampihirana no tapaka tampoka ny herinaratra ka avy hatrany dia nivoaka ny efitrano ity mpanakanto malaza ity ary tsy niverina intsony.

Efa niverimberina ny fahatapatapahana ka nahatonga ity mpanakanto ity ho sorena ary niafara tamin'ny fivoahany ny efitrano filanonana ka tany dia tsy hita na dia efa tamin'ny 12 ora alina mahery aza vao niditra nanao ny anjarany i Black Nadia.

Voalaza fa tsy delestazy no nisy teto fa tsy nahazaka ny tanjaky ny fitaovana nampiasaina ny herinaratra ka nahatonga ny fahatapatapahana.

Tsy nanampidiny ireo mpankafy izay nanefa saram-pidirana 10.000 Ariary, misy aza ny nandoa mihoatra. Tsy naheno afa-tsy hira telo satria teo amin'ny hira faninefany i Black Nadia no nandao ny efitrano io.

Hanao fampisehoana ao amin'ny Banja Toalaza izy anio tolakandro.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.