Mahajanga: Hatao vakoka sy haingon-tanana ireo « Antonov II» nipetra-potsiny tao Amborovy

  • vendredi, 29 décembre 2017 14:46
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Fiaramanidina efa tsy miasa intsony fa nipetra-potsiny teny amin'ny seranam-piaramanidina Amborovy ilay Antonov, na ny tompony aza notadiavina fa efa tsy hita intsony. Misy anefa ny fanadiovana atao eny an-toerana amin'izao fotoana izao ka nahatonga ny tsirin-kevitra ho an'ireo mpitantana ny Tanànan'i Mahajanga.

Tsy ho ariana na hopotehina fotsiny ity voromby ity fa hanaingoana ny tanàna ka omaly hariva 28 desambra no notaterina nankeo amin'ny rond-point Notre Dame, izay toerana nosafidiana hametrahana azy. Holokoina avy eo ary hijanona ho vakoka. Tsy vitan'izay fa hahazo tombony ireo zanak'i Mahajanga izay tsy mbola nahita maso akaiky akory izany fiaramanidina izany.

Fiaraha-miasan'ny ACM (aviation Civile de Madagascar) sy ny ADEMA no nahazoana ity fiaramanidina ity ary efa nandalo tao amin'ny Fitsarana misahana ny ady atao amin'ny fanjakana ny raharaha.

Maro ny ezaka ataon'ny Ben'ny Tanànan'i Mahajanga amin'ny fanatsarana sy fanomezana endrika ny tanàna. Anisan'izany ny fambolena voninkazo, ny fanadiovana isaky ny zoma, ary tena nampiavaka ity renivohitry ny faritra Boeny ity ny jiro nandravahana ny tanàna sy ny “bord de la mer” tamin'ity fetin'ny noely ity.

Endrika vaovao indray no ho hita manoloana ny Notre Dame rehefa tena tafapetraka sy voaravaka ity fiaramanidina ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.