Andavamamba Alliance française: Fampirantiana sary hosodoko mahakasika ny VALIHA

  • mardi, 12 décembre 2017 09:12
  • Tigre
  • Sary Njaka

Tafiditra ao anatin’ny faha 70 taonan’ny Alliance Française de Tananarive dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 11 desambra ny varotra fampirantiana sary hosodoko mahakasika ny VALIHA, izay tsy hifarana raha tsy ny faran’ny herinandro.

Hisy seho lehibe amin’ny zoma ho avy izao manomboka amin’ny 7ora hariva iarahana amin’i Doné ANDRIAMBALIHA, RATOVO, ZAMBA, PIARAKANDRO, NDRIANA, MODA, NAIVOARIVELO, hampiangaly hamelona ny Valiha izay hita fa mien-danja hatrany ankehitriny.

Ny lohahevitra amin’ity seho ity moa dia nantsoina hoe VALIHA MITETY VAZATANY ;na VALIHA AUTOUR DU MONDE.

Misy ny fandraisana anjara amin’izany ka 5000 Ariary ho an’ny olon-tsotra ary 3000 Ariary kosa ho an’ireo mpikambana ao amin’ny AFT.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.