Pr Komedo : Namoaka clip vaovao

  • lundi, 04 décembre 2017 16:18
  • Britto
  • Sary nindramina

Nivoaka ny alakamisy 30 novambra lasa teo ny rakintsary vaovao an’i Pr Komedo, mpanakanto avy ao Maroantsetra manao mozika maro loko. Ilay hirany “Gasy Vs Vazaha” io nivoaka clip io. Hira izay karazany valin-kafatra ho an’ireo vehivavy malagasy sasany nanao vidéo nanakiana lehilahy gasy izay niteraka adihevitra lavabe tao anaty facebook.

Manan-talenta tokoa ny tovolahy ary miitatra any Afrika ny lazany amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny maha mpanakanto an’i Pr Komedo, dia mpampianatra taranja matematika ny tenany. Izany indrindra no nahatonga ny anarany maha artista, Profesora Komedo azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.