Antsahavola: Iray volan’ny sary 2017

  • mardi, 07 novembre 2017 21:52
  • Tigre
  • Sary Njaka

Notontosaina ny zoma 03 novambra lasa teo, tao amin’ny IKM Atsahavola ny fisokafana tamim-pomba ofisialy ny iray volan’ny sary 2017 izay andininy faha valo, ka tsy hitsahatra izany raha tsy ny faha 30 novambra ho avy izao.

Ny lohahevitra noratovina tamin’izany dia ny TAOVOLO MALAGASY izay hanomezan-danja ny fikajiana ny kolontsaina malagasy.

Maro ireo mpiara-miombon'antoka amin’izany, ary anisan’izany ny ANTA izay ivon-toerana mitahiry ireo sary rakitry ny ela indrindra izao taovolo malagasy izao.

Anisan’ny nanatrika izany moa ny talen’ny ANTA Anitra RAKOTOARISOA, ny Talen’ny OMACI na ny ofisy Malagasy ho an’ny sinema, ary andriamatoa Fidisoa izay matianina amin’ny Sary, izay ity farany no mpandrindra sy mpikarakara izao hetsika izao.


Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.