Ihorombe: Festival KARITAKA andiany faha-9

  • mardi, 05 septembre 2017 19:20
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny marainan’ity talata 05 septambra ity ka hitohy hatramin'ny sabotsy ho avy izao ny hetsika mampiavaka ny kolontsaina Bara antsoina hoe: Karitaka.

Nampahafantarina tao anatin’ny fandaharam-potoana ny drafitr’asa fampandrosoana ny Kaominina ambanivohitr’i Ranohira izay niarahana namolavola tamin’ireo tetikasa miasa aty an-toerana.

Dinihina ny tolakandro kosa ny dinan’Ihorombe. Ankoatr’izany dia tanterahina ao an-tanana mandritra ny efatra andro ny lalao ara-panatanjahantena sy ny fampisehoana takalo ara-javakanto.

Ny Kaominina sy ny fikambanana FITIBA no tompon’antoka amin’ny fikarakarana. Nohararaotina kosa ny fotoana mba hanoloran’ireo lonaka ny solontenan’ny faritra ao amin’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena izay tsy iza fa ny mpanakanto Matsubara. Misy ny cabaret iarahana amin’i D’Gary ny alin’ity andro fanonkafana ity.

Nanaovana tsindrimpeo manonkana ny tokony hitazonana hatrany ny kolontsain’ny Bara izay mikolokolo ny manodidina ny omby rehetra. Izany indrindra no tokony hahasarotiny azy ireo ny amin’ny fitandroana filaminana sy ny fitahirizana ny kolontsaina tahaka izao tanterahina izao.

 

Commentaires (326)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa