James Ratsimandresy: Roa taona izay ...

  • mercredi, 30 août 2017 22:11
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Notanterahina tao amin'ny trano fonenan'ny zanaka navelan'i James Ratsimandresy ny fahatsiarovana ny fahalasanany roa taona lasa izay. Fahatsiarovana maharitra sy nahafantarana azy no vetsovetsoin'ny rehetra tonga nanotrona ny fianakaviany ity alarobia 30 aogositra ity, fotoana nampatsiahivana ireo fomba fiasa sy fijery nahalalan'ny rehetra azy. Isan'izany ny manao hoe : "Vakio dia tadidio tsara"!

Tsy misy mahasolo ity mpanao gazety masiaka be ronono ity raha ny fitantaran'ireo niara-niasa taminy teto Fianarantsoa sy tao amin'ny FIanakaviana SAmbatra izay notantanany nandritra ny 15 taona.

Ireo anatranatra napetrany kosa no mijanona ho tamberina natao famerenan-desona hoan'ny mpanao gazety namana aty aoriana.

Hatreto dia tsy misy namdimby azy ireo zanany. Laza sy fahatsiarovana no mitoetra hoan'ny rehetra solontena nanome lanja izao fotoana fahatsiarovana izao.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (15)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa