Fitampoha 2017: Tontosa ny Fanompoam-be

  • lundi, 10 juillet 2017 21:03
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Tontosa soaman-tsara androany 10 jolay ny Fanompoam-be tao amin'ny Doany Miarinarivo efadahy manankasina tamin'ity taona 2017 ity. An'arivony ireo mpanompo avy amin'ny foko Sakalava tonga nanatanteraka ny fomba amam-panao teny amin'ny Doany, niaraka tamin'ireo manam-pahefana sy olom-panjakana avy eto amin'ny faritra Boeny sy manerana an'i Madagasikara.

Anisan'ny tazana teny ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky sy ny Députée Nina ary ny Lehiben'ny Faritra. Sakalava avy amin'ny lafy valon'ny Nosy mbola mitana ny fomban-drazana. Fitampoha (fampandroana na fampisehana ireo taolambalon'Andriamisara efadahy manankasina).

Raha ny fomban-drazana, any an-dranomasina no fanaovana ny Fitampoha teo aloha saingy efa ao anaty valamena izany ankehitriny noho ny fahadiovan'ny ranomasina efa tsy azo antoka intsony satria misy ireo fady tsy voahaja.

Mandritra ny Fitampoha dia misy ny fanapoahana basy eny amin'ny Doany ho fanehoana ny herin'ny mpanjaka izay hangataham-pitahiana ary arahina rombo sy antsa Sakalava atao tsy an-kiato mandritra izany. Efa nisy ireo fombafomba natao nialohan'ny fanompoa ary tamin'ny 3 jolay no nanaovana ny fanokafam-baravarana.

Ny zoma izao no hanaovana ny rebika, izany hoe fety famaranana ny fitampoha hanehoana ireo karazana dihy tamin'ny faha Mpanjaka araka ny fomba Sakalava. Anelanelan'izay anefa misy hatrany ireo hetsika ara-kolontsaina.

Vola amina miliara isan-taona no miodina ao amin'ny Doany Miarinarivo efa-dahy Manankasina. Ankoatra ny omby sy ny vola aterin'ireo mpanompo dia tsy adino ny volafotsy sy volamena atao fanatitra ho fangataham-pitahiana amin'ireo Razana.

Anisan'ny fototry ny olana saika isan-taona mialohan'ny fanompoam-be ny fiadiana seza satria samy te hitantana ireo vola aman-karena ireo avokoa ireo mitonona ho taranaka mpanjaka.

Tsy vitsy ireo teratany vahiny tonga manaraka ity fomban-drazana Sakalava ity indrindra ireo avy amin'ny nosy rahavavy.

Tsy maharaka ireo fiara avy amin'ny koperativa rezionaly ary saika manondrotra sarandalana avokoa satria marobe ireo olona avy any amin'ny distrika ambanivohitr'i Mahajanga sy ato anatin'ny faritra Boeny tonga manaraka ity fomba amam-panao iray ity.

Tsara tsena ihany koa ireo mpivarotra lambahoany salovana ho an'ny vehivavy sy sikina ho an'ny lehilahy, sy ireo kojakoja fampiasan'ireo mpandala fomban-drazana amin'ny tromba. Amin'ny ankapobeny tsy dia nahitana fiakarany ireo lambahoany fa manomboka amin'ny dimy arivo ariary hatramin'ny iray hetsy Ariary.

 

Commentaires (58)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa