Zavakanto: Nodimandry tampoka i Dédé Fénérive

  • dimanche, 02 juillet 2017 19:59
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina

“Tampoka tamin’ny fianakaviana izao fahafatesany izao satria tsy narary tsy marin-koditra izy”, hoy ny zanany vavy, Rabemanantsoa Vola Sandra.

Rabemanantsoa Bertrand Régis no tena anarany, saingy ny fomba fiteniny somary mihakanakana alohan’ny hiteny manao hoe : “de, de, de” sy izy niaina tao Fenoarivo Atsinanana na Fénérive-Est na dia teraka teto Toamasina aza, no nahazoany anaram-bositra “Dédé” ary nampiany fotsiny hoe : “Fénérive” izany, ka nentiny tamin’ny maha-mpanankanto azy ny anarana hoe : “Dédé Fénérive”.

63 taona i Dédé Fénérive izao nodimandry izao. Hira isany nahafantarana azy sy tsy afaka am-bavan’ny maro na ireo tanora ankehitriny aza ny hoe : “Mbola ho avy”, “Hasambarana”, “Mbola tsara” ary ny “Hafatra”.


Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa