Fianarantsoa : Ambondrona miakatra amin'ny sehatra ambonimbony

  • lundi, 08 mai 2017 09:33
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Afa-po ny mpikarakara ny fampisehoana niarahana tamin'i Ambondrona. Babo hatrany ireo mpankafy eto an-toerana. Mitombo isa ny mpijery ny tarika raha ny tombatombana. Sarotra ihany anefa no mameno an'ity foto-drafitrasa ara-panatanjahatena mampiaiky ny mpikarakara hetsika ity.

16 taona izao ny tarika Ambondrona no mandalo eto Fianarantsoa. Izy no mpanakanto mahazo olona betsaka indrindra amin'ireo tarika miaka-tsehatra tonga eto an-tanàna ankoatran'i Mahaleo.

Ho an'ny fampisehoana notanterahina tao amin'ny Gymnase Ambatomena ny alahady 7 mey dia voatery nampiasa “groupe électrogène” ny mpikarakara ho famatsiana herinaratra.

Noraràna nifohana sigara tao amin'ny kianja mitafo ny mpijery mba ho fitandrona ny fahasalaman'ny mpijery sy ho fanajana ilay toerana. Eo amin'ny lafiny fandrindrana ny feo dia somary manakoako izany tao anaty tranobe.

Hentitra ny tarika eo amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa. Amin'ny ankapobeny dia tratra ny tanjona nohezahan'ny mpikarakara.

Arotsaka any amin'ny Tafita izay mitantana io toerana io ny vola tandrify fampiasana azy sy ireo ampahany mifandraika amin'ny ady atao amin'ny fifohana sigara.

 

Commentaires (34)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa