Festival Gasy Bulles 2017 : “Madagasikara ho an’ny ampitso”

  • samedi, 08 avril 2017 13:05
  • Super User
  • Sary Njaka

Mikarakara fifaninanana sary ny BMOI izay iarahany amin'ny Gasy Bulles, IFM, AFT, Librairie Mille Feuilles ary ny IKM. “Madagasikara ho an’ny ampitso” na “Madagascar de demain” no lohahevitra amin'izany ary entanina indrindra ireo tanora hisoratra anarana hifaninana mandritra ny Festival Gasy Bulles 2017.

Misy sokajy telo ny fifaninanana, ahitana ny sokajy Professionnelle, ny Espoir izay natokana ho an’ireo mpianatra sy olon-tsotra tia manao sary, ary ny dessin de presse ho an’ny sary an-gazety atao amin’ny taratasy A3 tsy misy ambadika ka mety avokoa na miloko na mainty sy fotsy.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny faha 26 mey ho avy izao ny fanoratana anarana ao amin’ny tranonkalan’ny BMOI.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa