Fianarantsoa: Fankalazana ny faha 45 taona ny niakaran'ny tarika Mahaleo sehatra

  • samedi, 01 avril 2017 18:19
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Tonga namonjy ny fampisehoana teto Fianarantsoa ireo mpankafy maromaro avy amin'ny faritra hafa manodidina omaly 31 marsa 2017. Mitohy ny andron'ny alahady ny fiarahan'ity tarika manamarika ny 45 taona niakarany an-tsehatra ity eto an-toerana.

Tsy nanavahana mpanao politika na mpitantana fanjakana na olon-tsotra ny fanatrehana ny cabaret tontosa tao amin'ny Ballroom Soafia ny alin'ny zoma lasa teo.

Isan'ny mpanakanto mahavory olona maro hatrany eto amin'ny tanànan'i Fianarantsoa i Mahaleo raha i Ambondrona no matetika mahafeno toerana filanonana sy kianja goavana.

Afa-po tanteraka ireo mpankafy ary naneho fandraisana hafa mihitsy tamin'ity indray mitoraka ity rehefa mihira sy mampiakatra feo i Fafah.

Nikoizana hatrany ny fihiran'i Dama sy Dadah ary Bekoto.
Hafa kely ny fihirana ny "Lendrema" nandritra io fotoana io satria nampirehitra ny aingampanahin'ny olona rehetra nanatrika.

Fahombiazana ny hetsika amin'ny ankapobeny.
Dimy taona lasa no niakatra an-tsehatra farany teto Fianarantsoa ny tarika Mahaleo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa