Mahamasina: Fankalazana ny Taom-baovao Malagasy miaraka amin'ny VAM

  • vendredi, 17 mars 2017 22:55
  • Tigre
  • Sary Njaka

Hankalazaina amin’ny fomba manetriketrika ny Taom-baovao Malagasy amin’ny 28 marsa ho avy izao. Mialohan’izany anefa dia hisy ireo hetsika maro samihafa izay manomboka ny 25 ka hatramin’ny fahatongavan’ny taona vaovao dia ny 28 martsa izany.

Manomboka amin’io andro io dia hisy ny fampirantiana izay hatao eny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, fampirantiana sy fampahafantarana ny atao hoe Fitohasina.

Ny harivan’ny faha 27 marsa dia hisy ny aredrina izay ho entina manodidina ny farihin’Anosy mihazo an’ny Kianjaben’ny Mahamasina, izay hiantsona ny Malagasy rehetra tsy hankanavaka.

Ny faha 28 marsa kosa no tonga ireo avy any amin’ny faritra hankalaza izany lanonana izany.

Izany rehetra izany moa dia hafanain’ny VAM na ny Vondron’ny Artista Mpandala ny Maha Malagasy. Misy ny vokatra haseho amin’ireo haino aman-jery dia ny Clip izany, izay hoentina hanentanana sy hiantsoana ny Malagasy rehetra tsy hankanavaka mialohan’izao lanonana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa