Taom-baovao Malagasy : Ho tontosaina ny 28 martsa ho avy izao

  • samedi, 11 mars 2017 13:46
  • Super User
  • Sary Njaka

Toy ny fanao isan-taona, ny alahady 26 martsa 2017, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro dia hisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ho fangataham-pitahiana ho an’ny Tanindrazana, hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby.

Ny talata 28 martsa maraina dia manao ny FAFY RANO arahina tso-drano am-bava ataon’ny Raiamandreny. Rehefa izany dia manao TATAO vary amin-dronono tondrahan-tantely hisantarana ny taona vaovao sy hifampirariana soa.

Hira gasy, vakodrazana, seho ara-javakanto sy ara-kolontsaina maro no handravaka ny fotoana izay faranana amin’ny fifanolorana ZARAHASINA izay firariana ny taona ho zina.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa