Fanabeazana: Fifaninanana mandahatra amin'ny teny frantsay

  • vendredi, 03 février 2017 11:45
  • Tigre
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Dingana iray sisa dia hivoaka ny mpandresy amin'ny fifaninanana mandahatra amin'ny frantsay karakarain'ny sampana Mapef (Madagascar appui à l'enseignement du et en français) eto Fianarantsoa.

Tanora 16 izy ireo no hiatrika ny dingana famaranana ny marain'ny sabotsy 4 febroary 2017.

Mpianatra kilasy faha-2 sy voalohany amin'ny Lycée miisa 6 eto an-toerana izy ireo no mandray anjara amin'izany.

Tanjona, maneho hevitra, atao an-kitsapaka sy manohana azy amin'ny teny frantsay ao anatin'ny 5 minitra.

Ny Lycée Raherivelo Ramamonjy no mampiantrano ny hetsika.

Miahy izany akaiky ny DREN Matsiatra Ambony sy ireo mpiaramiombon'antoka.

Andiany voalohany sy sambany no isian'izao eran'ny Madagasikara izay misy io sampana Mapef io.

80 mahery ireo tanora mpianatra ireo no nifanintsana tany amin'ny fiandohan'ny hetsika.

Andrasana fatratra ny mpandresy voalohany indrindra amin'ity fifaninanana mandresy lahatra sy mandahatra ity eto an-tanàna.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa