Mahajanga : Herinandron’ny kolontsaina kaomoriana

  • dimanche, 22 janvier 2017 15:59
  • Britto
  • Sary nindramina fampihaingoana

Nankalazaina nanomboka ny alakamisy 19 janoary eto Mahajanga ny Herinandron’ny kolontsaina kaomorianina.

Tamin’ny fanokafana dia nampiseho ny dihy izay mampiavaka azy ireo amin’ny fangataham-bady dia ny dihy “Tary” ireo teratany kaomoriana eto Mahajanga.

Isan’ireo faritra ahitana teratany kaomorianina maro i Boeny, nilaza ny mpandridra rezionaly ny fikambanan’ny mpianatra kaomorianina ao amin’ny oniversite Mahajanga El- Mamoune Ben Bakary fa vonona ny hanaja ny soatoavina maha Malagasy.

Miisa 610 ireo mpianatra kaomorianina mandrato fianarana eny amin’ny oniversite Mahajanga ny taona 2016.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa