Fianarantsoa : Niova endrika ny Farihin’i Sahambavy

  • jeudi, 19 janvier 2017 18:53
  • Britto
  • Sary nindramina

10%n’ny rano sisa no hita eo amin’io farihy manan-danja io, vokatry ny haintany. Atsanga sy ny fota-mainty no mameno ny toerana nisitahan’ny ranobe izay maha faritra fitsangatsanganana azy io.

“Azo anaovana tanimbary ilay ilany atsimo ritra amin’izao fotoana izao” hoy ny tompon’andraikitra misahana ny tetikasa fampidirana rano fisotro madio any an-toerana. Vokatr’izany dia simba ny endriky ny tanàna natao ho toerana fialamboly ho an’ny terantany Malagasy sy ireo vahiny mpizahatany.

Raha tsiahivina dia ny taona 1964 no navaozina io Farihin’i Sahambavy, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony io.

Renirano notohanana izy io mba azahoana farihy lehibe hatrany amin’ny halavàna 1 kilometatra any ho any, hoy ihany ny tompontany.

Saika mitovy amin’ny farihin’i Mantasoa ny hetsika natao teny an-toerana hatramin’izay. Ampiasaina amin’ny fambolena ihany koa izy io araky ny fandaminana ao an-toerana.

Ankehitriny dia tsy misy vahaolana hiatrehana izany haintany izany fa ny filatsahan’ny orana sisa no heriny mba iverenan’ny rano eo amin’io toerana manan-tantara sy lanja ara- toekarena io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa