Sarimihetsika malagasy : Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany androany i « Randrenja »

  • jeudi, 08 décembre 2016 23:43
  • Britto
  • Sary Le Citoyen

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nodimandry tao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha androany Razafindrakoto Gérard, fantatra amin’ny anarana « Randrenja » tamin’ny filalaovana sarimihetsika « Malok’ila ».

Nolazoin’ny aretina homamiadan’ny tsinay nandritra ny volana maromaro ity mpamokatra sady mpilalao sarimihetsika ity, ary izay rahateo no nidirany hopitaly fotoana naharitra.

Nisy ny hetsika tolotanana nataon’ny artista ho fanampiana azy, natao teny amin’ny Coliseum ny alahady 4 desambra 2016.

Mpilalao sarimihetsika tao amin’ny Scoop Digital Razafindrakoto Gérard teo aloha, manana tranom-pamokarana Horizon azy manokana izy no taty aoriana.

Namela kamboty 5 mianadahy sy mpiahy tena iray izy izao nodimandry izao.

 

Commentaires (7)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa