Ninie Doniah : Hanao hetsika ho fanampiana ny olona sahirana eto Mahajanga

  • mercredi, 07 décembre 2016 21:24
  • Britto
  • Sary net

Nahaontsa an’i Ninie Doniah ny fahitany olona nangataka ny sisan-tsakafo tsy laniny raha sendra nisakafo tamina hotely iray teo Mahajanga izy.

Niezaka nizara izay fahafahana manome sakafo ireo sahirana aho, hoy ity mpanakanto ity satria dia mahatsapa aho fa manana adidy amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana amiko.

Hanao fampisehoana eto Mahajanga izy ny alahady 18 desambra 2016 izao sady ho hampahafantarany ny raki-kirany vaovao andiany faha-6, ka hividianana zavatra toy ny vary, sira, siramamy, afokasoka, savony… hozaraina amin’ireo sahirana ny vola azo.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa