Toamasina : Voafidy ho “Miss inter – Etablissements” i Mélodie Jeannot

  • dimanche, 20 novembre 2016 21:05
  • Tigre
  • Sary Sobika Toamasina

Andiany fahatelo ny fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika ifaninanan’ny samy sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana na “Miss inter – Etablissements” eto Toamasina, izay karakarain’ny “Zay One Communication”.

Niisa 19 ireo tovovavy niatrika ny fifanintsanana tao amin’ny CRJS nanaovana ny fifaninanana omaly. Avy amin’ny toeram-pianarana miisa sivy izy ireo. Ny 14 tamin’ireo no tonga tamin’ny famaranana. Hantsaram-bika sy ny fahamaontinana ary ireo fomba amam-panao Malagasy no nitsarana azy ireo.

Voafidy ho “Miss inter – Etablissements” tamin’izany i Melodie Jeannot. Mpianatry ny lisea “La Salle” izy.

Faharoa na “1ère Dauphine” i Alexia Lock, izay mpianatry ny sekoly “Congrégation chinoise”.

Fahatelo na “2eme Dauphine” kosa i Jennifer, mpianatry lisea frantsay.

Nahavory tanora mpianatra maro nanohana ireo kandidany avy ity fifaninanana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa