Art et Culture

    • mercredi, 05 juin 2019 12:58
    • Sary nomena

    Ambatoboeny: Mankalaza ny Ide ul FILTR

    de ul fitr masdjid dawattol Islam Ambatoboeny (sunnit kumbar jamat) Ampitsikina no nanokafana ny ramadan teto Ambatoboeny, ary ampiravona ihany koa no nentina nanakatonana azy tamin'ny fanaovana ide ul FILTR. Maro sy feno ny mosquée teto an-toerana satria fotoana lehibe ny andro anio faha 05 jona 2019. Ny Masdjid dawattol Islam eto Ambatoboeny dia faly miarahaba feno hoan'ny mpino rehetra tratran'ny IDE androany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 juin 2019 12:32
    • Sary fanehoana nindramina

    Finoana Katolika : Fetim-bokatry ny « Seminera zandriny » Ambohipo - Antananarivo

    Andro lehibe ho an'ny fianakaviam-ben’ny Seminera Zandriny Ampahateza-Ambohipo  sy ny Diosezy Antananarivo ity Alahady 2 jona ity. Fetim-bokatra ao an-toerana anio handraisana ireo tolotra avy amin’ny Kristianina, ny fianakaviana, ny faritra, ny isam-paroasy, ny fileovana, ny distrika, ny fikambanan-drelijiozy, ny sekoly katolika, ny fikambanana masina, ny vaomieran’asa, ny hery velona rehetra mandrafitra ny  Fiangonana, hanampiana sy hanohanana feno ny taninketsan’ny fiantsoan’Andriamanitra ho pretra. Misy ny Sorona Masina tarihin’ny Arseveka, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Aorian'ny izay ny lalao samihafa, arahin'ny sakafom-pianakaviana ary hira gasy ataon’ny seminarista no hanakatona ny andro anio.      
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 juin 2019 13:23
    • Sary Njaka

    Mahamasina: FJKM - Hetsika fitoriana Filazantsara faha-5

    Nanatanteraka ny hetsika fitoriana Filazantsara faha-5 ny teo anivon'ny FJKM foibe, izay natao tetsy amin'ny kianjaben'ny Mahamasina. Maro ireo hetsika tety an-toerana toy ny fitiliana sy fitsaboana maimaim-poana, fanomezana rà, ny fijerena ny tosi-drà, fivarotana boky aram-pilazan-tsara, Fitoriana Filazantsara, fitoriana an-kira, fanatanjahan-tena. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 mai 2019 21:56
    • Sary nindramina

    RyKala Vazo: Nodimandry androany i Mitchou

    Fahatsentseman'ny lalandra no nidirany hopitaly ny 20 mey 2019. Teo ampanomanana ny handefasana azy hotsaboina any ivelany no izao nindaosin'ny fahafatesana izao i Mitchou, tao amin'ny HJRA Ampefiloha, na nanao ny ala nenina rehetra aza ny mpitsabo. Andriambolatiana Miarintsoa ny anarany feno, Mitchou no fiantson'ny namany sy ny fianakaviana azy. Mbola mpitovo. Mpikambana mpamorona ny tarika RyKala Vazo i Mitchou. Mpamorona sady mpihira, mpively aponga, mpitendry gitara beso tao amin'ny tarika izy. Eo ampanomanana seho sehatra maro ny tarika no izao tojo fahabangana izao noho ny fahafatesan'i Mitchou. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 10:48
    • Sary nindramina

    Nodimandry i Patrick Alès, mpamorona ny « brushing »

    Teo amin’ny faha-88 taonany i Patrick Alès, izao nodimandry izao tany Frantsa. Izy no mpamorona ilay fitaovana fanamainana sy fikarakarana volo haka endrika amin’izay itiavana azy vonjimaika na « brushing ». Olo-malaza maro no efa nandalo teo aminy nikarakara volo toa an’i Catherine Deneuve sy ry Jackie Kennedy. Nikaroka ary nisehatra tamin’ny famoahana vokatra fikojana endrika amam-bika, ihany koa izy. Zanaka mpifindra monina avy any Espaina i Patrick Alès, noho ny ady nisy tany amin’ity firenena ity.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 mai 2019 15:19
    • Sary internet

    Indonezia : Voafidy fanindroany ho filoha i Joko Widodo

    55,5% ny vato manankery no azon’i Joko Widodo na "Jokowi" araka ny fiantson’ny olona azy, nanoloana an’ilay jeneraly misotro ronono Prabowo Subianto mpifaninana taminy, izay nahazo 44,50% araka ny nambaran’ny vaomieram-pifidianana any an-toerana. 57 taona izao i Jokowi. Tamin’ny 2014 izy no voafidy voalohany hitondra an’i Indonezia, rehefa nahazo isam-bato 53,15%.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 18:16
    • Sary: Fiarovam-pirenena

    BATAC Arivonimamo: Notokanana ho vakoka ilay fiaramanidina DC3

    Fanomezana natolotry ny Amerikana Avaratra ho an’ny Tafika an’habakabaka tamin’ny volana Aogositra 1988 ity fiaramanidina DC3 ity. Nitondra ireo olo-manankaja sady nanampy betsaka tamin’ny fahatomombanan’ny andraikitra napetraka teo amin’ny mpitandro ny filaminana hampandriana fahalemana ny asany tamin'izany. Ao amin'ny « Base Aérienne Tactique » (BATAC) Arivonimamo ilay fiaramanidina DC3 amin’izao, ary notokanana ho "Vakoka" tamin’ny 10 mey 2019 lasa teo. Ny 21 janoary 1989 kosa ny voalohany, ary tamin'ny 29 jona 1996 ny sidina farany nataon'ity DC3 ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 17:05
    • Sary Njaka

    Fetin'ny reny: Festival des jardins alliance française

    Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny reny, dia makarakara hetsika Festival des jardins ny alliance française Andavamamba. Misy araka izany ny varotra fampirantiana ireo karazana voninkazo sy ny mety ho manodidina ny zaridaina, misy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana ny fomba fikolokoloina zaridaina. Manome fotoana ny AFT Andavamamba ny 23, 24 ary ny 25 mey ho avy izao hitsidika izany. Marihina moa fa 1 000ariary ny vidim-pidirana.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 mai 2019 22:50

    Fampianarana Teny Anglisy: Hisy fikaonandoham-pirenena hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato

    Sambany i Madagasikara no hampiantrano ity atrikasa lehibe ity, izay tarihin’ny manam-pahaizana momba ny fampianarana ny teny anglisy avy amin’ny Departemantam-panjakana amerikana, ary misahana ny Faritra aty Afrika. Mpampianatra teny anglisy miisa 333 avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy, araka izany no handray anjara amin’ity Fikaonandoham-pirenena momba ny Fampianarana Teny Anglisy ity, izay hotanterahina eny amin’ny Centre de Conférence Internationale - CCI Ivato ny alatsinainy 20 mey ho avy izao.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 mai 2019 16:49
    • Sary nindramina

    Mgr Philippe Ranaivomanana: Feno 20 taona ny nanamasinana azy ho Eveka

    Feno 20 taona omaly 13 mey 2019 ny nanamasinana Eveka an'i Mgr Philippe Ranaivomanana. Papa Joany Paoly II no nanendry an'i Mgr Philippe Ranaivomanana ho Eveka vaovao hitantana ny Diosezin'Ihosy ny 2 janoary 1999. Mgr Philibert Randriambololona, nampian'i Mgr Felix Ramananarivo sy Mgr Fulgence Rabeony, no nanamasina an’i Mgr Philippe Ranaivomanana ho Eveka hitondra ny Diosezin'Ihosy, 13 mey 1999. Mitantana ny Diosezin'Antsirabe i Mgr Philippe Ranaivomanana ankehitriny, izany dia nanomboka ny 13 novambra 2009.  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 37