Art et Culture

    • mardi, 10 janvier 2017 19:12
    • Sary Njaka

    KOTROBARATRA : Io no hira farany izay nisarahana tamin’i Bruno Raisner

    Tsy afaka teo am-bavan’ny olona na ny kely na ny lehibe, ary maro ireo mpanankanto izay nanotrona azy ka sady nihira ny Kotrobaratra teto Antananarivo. Hiazo an’i Toamasina sy Sainte-Marie, raha niadrasana tao amin’ny tranompokonolona Analakely io tolak’andro io ny nofo mangatsikan'i Bruno Raisner. Tonga nitsapa alahelo teny ny minisitry ny kolon-tsaina Jean Jacques Rabenirina sy ny ny minisitry ny rano Johanita Ndahimananjara izay anisan’ny mpiray fiaviana amin’ny tompokolahy. Mbola tsy fantatra mazava ny handevenana azy satria dia miandry ny fanampahan-kevitry ny fianakaviana any an-toerana, araka izany dia any an-toerana no hanomezana ny mari-boninahitra azy.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 janvier 2017 11:08
    • Photo d'Archives Net

    Zava-kanto : Nodimandry i Bruno Raisner

    Nodimandry omaly alatsinainy faha 9 ny volana janoary 2017 teto Antananarivo ilay mpanakanto malaza Bruno Raisner, izay avy atsy amin'ny nosy Ste Marie. Niatrika fandidiana tamin'ny hopitaly teto an-drenivohitra ny tenany izao nindaosin'ny fahafatesana izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 15 décembre 2016 23:03
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Tolagnaro : Miala any ny Festivaly Sambaraha

    Fety roa sosona no ho hita eto an-drenivohitry ny Faritra Anôsy ny 17 ka hatramin’ny 24 desambra izao, dia ny Festivaly Sambaraha. Hetsika ara-kolontsaina hanasongadinana ny tsy tontan'ny ela amin’iny Faritra iny izy ity, handraisan'ireo mpanakanto vokatry ny tany sy ireo mpanakanto mila ravinahitra ao Antananarivo. Mifanojo amin’ny tsingerintaona faha-12 ny fikambanana “Hoavinign'Anosy Miatriky” ny hetsika.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 15 décembre 2016 13:58
    • Photo: fournie

    FJKM Tranovato Ambatonakanga : Concert de Noël inédit avec la Chorale Orimbato

    Pour Noël 2016, la Chorale Orimbato veut partager la joie apportée par la naissance du Christ, par le biais d’un concert qui ne manquera pas d’originalité. Ce dimanche 18 Décembre à partir de 16 heures, au temple FJKM Tranovato Ambatonakanga, l’Orimbato donnera l’occasion de remonter le temps et de revivre des Cantiques de Noël entre 1800 -1900, en version originale « Hark the herald angels sing » de Mendelsshon, et la version malagasy du cantique allemand « Tany Finaritra » FFPM n°63, en passant par le n°64 « Injany hiran-danitra » de R.S Willis.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 08 décembre 2016 23:43
    • Sary Le Citoyen

    Sarimihetsika malagasy : Nodimandry teo amin’ny faha-56 taonany androany i « Randrenja »

    Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nodimandry tao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha androany Razafindrakoto Gérard, fantatra amin’ny anarana « Randrenja » tamin’ny filalaovana sarimihetsika « Malok’ila ». Nolazoin’ny aretina homamiadan’ny tsinay nandritra ny volana maromaro ity mpamokatra sady mpilalao sarimihetsika ity, ary izay rahateo no nidirany hopitaly fotoana naharitra. Nisy ny hetsika tolotanana nataon’ny artista ho fanampiana azy, natao teny amin’ny Coliseum ny alahady 4 desambra 2016. Mpilalao sarimihetsika tao amin’ny Scoop Digital Razafindrakoto Gérard teo aloha, manana tranom-pamokarana Horizon azy manokana izy no taty aoriana. Namela kamboty 5 mianadahy sy mpiahy tena iray izy izao nodimandry izao.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 décembre 2016 21:24
    • Sary net

    Ninie Doniah : Hanao hetsika ho fanampiana ny olona sahirana eto Mahajanga

    Nahaontsa an’i Ninie Doniah ny fahitany olona nangataka ny sisan-tsakafo tsy laniny raha sendra nisakafo tamina hotely iray teo Mahajanga izy. Niezaka nizara izay fahafahana manome sakafo ireo sahirana aho, hoy ity mpanakanto ity satria dia mahatsapa aho fa manana adidy amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana amiko. Hanao fampisehoana eto Mahajanga izy ny alahady 18 desambra 2016 izao sady ho hampahafantarany ny raki-kirany vaovao andiany faha-6, ka hividianana zavatra toy ny vary, sira, siramamy, afokasoka, savony… hozaraina amin’ireo sahirana ny vola azo.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 01 décembre 2016 09:43
    • Photo fournie

    Bazar de Noel à Moscou : Les produits artisanaux et gastronomiques très appréciés par le public

    L’édition 2016 du Bazar de Noel, une grande manifestation socio-économique annuelle organisée par l’Association des épouses des ambassadeurs accrédités en Fédération de Russie (International Women’s Club) a eu lieu à Moscou, le samedi 26 novembre 2016, avec la participation active de l’Ambassade de Madagascar.
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 novembre 2016 06:23
    • Sary nindramina

    Fantatrao ve ? Famaky loha na Mante religieuse (Mantis religiosa)

    Biby mirefy 3-8 cm izy. Manana maso lehibe mahita ny manodidina. Milanja 20g, ary 6 volana ny fepotoana iainany.Manatody 200-300 eo izy. Mihinana bibikely izy, insectivore cannibale, toy ny valala, lolo, lalitra.Manana ilay tanany aloha maranitra sady matanjaka hiarovany tena sy hiazany ny sakafony. Ny fahavalo mihinana azy, vorona, katsatsaka, bibilava. Mampiavaka azy. Ho aniny, raha noana izy, ny lahiny eo ampanaovana firaisana. Ka ny lohany no ho aniny aloha mandritra ny firaisana.Ny lahy manko kelikely vatana noho ny vavy ka dia sakafo mora azo mandritra ny lahy variana miray.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 novembre 2016 21:05
    • Sary Sobika Toamasina

    Toamasina : Voafidy ho “Miss inter – Etablissements” i Mélodie Jeannot

    Andiany fahatelo ny fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika ifaninanan’ny samy sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana na “Miss inter – Etablissements” eto Toamasina, izay karakarain’ny “Zay One Communication”. Niisa 19 ireo tovovavy niatrika ny fifanintsanana tao amin’ny CRJS nanaovana ny fifaninanana omaly. Avy amin’ny toeram-pianarana miisa sivy izy ireo. Ny 14 tamin’ireo no tonga tamin’ny famaranana. Hantsaram-bika sy ny fahamaontinana ary ireo fomba amam-panao Malagasy no nitsarana azy ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 novembre 2016 10:13
    • Sary Njaka

    AFT : Namoaka ny fandaharam-potoana mandritra ny frankofonia

    Nampahafantatra ny mpanao gazety ny teo anivon’ny AFT na ny Alliance Francaise de Tananarive, ny momban’ny fandaharam-potoana ataon’izy ireo mandritra ny fihaonana faratampony amin’ny frankofonia, izay manomboka amin’ny 20 ka hatramin’ny 25 novambra ho avy izao. Ka ny fanokafana izany dia ny fifaninanan-kira amin’ny teny frantsay, izay hatao ao amin’ny AFT Andavamamba ihany. Hisy ihany koa ny latabatra boribory ao anatin’ireo andro ireo, ary hofaranana amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano vaovaon’ny AFT Antsirabe.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 18
B1 - Polyclinique
B2 - Toa