Art et Culture

    • lundi, 16 avril 2018 12:11
    • Sary nomena

    Mpanakanto: Nodimandry i Clarisse (NY VOANIO)

    Nindaosin’ny fahafatesana androany maraina tao amin’ny hopitaly Be Toamasina i Clarisse rehefa nolazoin’ny aretina fotoana naharitra. Iray amin’ireo nandrafitra ny tarika NY VOANIO i Clarisse. Anisan’ny hira nahafantarana azy ny “Je ne peux pas t’oublier”. "NY VOANIO" dia tarika niforona teto Toamasina tany amin'ny taona 1965 tany. Maro ny hira nampalaza azy ireo tamin'izany no mbola mitohy henontsika hatramin'izao, na dia tsy dia miaka-tsehatra intsony aza ity tarika ity.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 avril 2018 18:53

    Ampary: Nosakanan'ny Emmo-Reg ny fampisehoana tokony hataon'i Black Nadia

    Nisavorovoro teto Ampary, Distrikan'i Soavinandriana androany. Feno mpitandro filaminana avy amin'ny Emmo-Reg Itasy teto an-tanàna androany, araka ny baikon'ny solontenam-panjakana aty an-toerana, nanakana ny fampisehoana tokony hataon'i Black Nadia, izay karakarain'ny Katolika eto an-toerana ary efa nahazoana alalana. Teny an-dalana hiazo an'Ampary ny tarika Black Nadia no voasakana tsy hanohy ny diany, toy izany koa ny fanamafisam-peo. Efa nahazo alalana tamin'ny Kaominina hanao fampisehoana eo amin'ny kianja filalaovana baolina kitra eto Ampary ihany koa ny tarika Rossy, amin'ny Alatsinainy 23 aprily.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 avril 2018 14:42

    Horonantsary fanadihadiana: Misy Amerikana roa mpanantontosa hizara traikefa eto Madagasikara

    Mandalo eto Madagasikara ireo mpanantontosa horonantsary fanadihadiana amerikana miisa roa, Rtoa Amy Scott sy Atoa Marc Levin, izay avy amin’ny fandaharanasa “American Film Showcase” vatsian’ny Departemantam-panjakana Amerikana vola, ary tanterahan’ny University of Southern California School of Cinematic Arts, ka nasain’ny Masoivoho Amerikana ho avy eto Madagasikara. Handray anjara amin’ny hetsika Rencontres du Film Court (RFC) izay hatao amin’ny herinandro ho avy izao izy ireo. Hisy mandritra izany ny fandefasana horonantsary arahina adihevitra :
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 avril 2018 09:33
    • Sary nomena

    Fikambanana FITSA: Mizara izay kely ananana

    Fikambanana tanora mpanao asa soa ny FITSA. Tarigetran'ny fikambanana ny hoe : “Soa ny manome” ary nahalalan'ny mponina eto Toamasina sy any ivelany azy hatrizay ny fizarana izay kely ananana. Nisy ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona vaovao niarahan’ny mpikambana ny faran’ny herinandro teo tao Salazamay-Toamasina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 31 mars 2018 09:48

    MAE Anosy: Vernissage de l'Exposition culturelle et historique intitulée "Trait d'union"

    Dans le cadre de la commémoration des 71 ans de la lutte du 29 mars 1947, une exposition historique et culturelle intitulée « Trait d’union » a débuté vendredi 30 mars 2018 au Ministère des Affaires Etrangères Anosy-Antananarivo. L’exposition retrace l’histoire d’Antananarivo à travers des photographies et des peintures. Elle sera ouverte au grand public et se tiendra jusqu’au 6 avril 2018. Des projections de films historiques seront également organisées pour les étudiants des collèges de la capitale. (Voir suite Galerie Photo)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 mars 2018 13:36
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Rava maina ny alim-pandihizana nafanain'i Black Nadia

    Fahasorenana ny an'ireo mpamonjy alim-pandihizana teny amin'ny La Promenade Bord de la mer-Mahajanga alina. Teo ampihirana no tapaka tampoka ny herinaratra ka avy hatrany dia nivoaka ny efitrano ity mpanakanto malaza ity ary tsy niverina intsony. Efa niverimberina ny fahatapatapahana ka nahatonga ity mpanakanto ity ho sorena ary niafara tamin'ny fivoahany ny efitrano filanonana ka tany dia tsy hita na dia efa tamin'ny 12 ora alina mahery aza vao niditra nanao ny anjarany i Black Nadia. Voalaza fa tsy delestazy no nisy teto fa tsy nahazaka ny tanjaky ny fitaovana nampiasaina ny herinaratra ka nahatonga ny fahatapatapahana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 22 février 2018 12:55
    • Sary Njaka

    Kinjan'ny Kanto: Fifampiaraban'ny samy mpihira

    Notanterhina tetsy amin'ny kianjan'ny Kanto Mahamasina ny fifampiarahabana tratry ny taona ho an'ireo Artista mpihira, izay notronin'i Minisitry ny kolontsaina Jean Jacques RABENIRINA. Nisy ny korana izay nofaranan'i Njakatiana sy Parson Jacques tamin'ilay hira hoe "Mivoleza". Nisaoran'ireo mpanakanto manokana ny solombavambahoaka Rossy nampihantrano.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 février 2018 08:55
    • Sary Gasypatriote

    Musée de la Photo

    Notokanana omaly alakamisy 15 febroary teny Anjohy ny trano fitahirizam-bakoka izay mahakasika ny sary tany aloha tany. Nisy ny valan-dresaka natao teny amin’ny IFM Analakely omaly izay nojerena manokana ny fomba fitahirizana ireo sary. Maro ireo mpiara-miasa toy ny eo anivon’ny arsivam-pirenena sy ireo mpitahiry sary samihafa fa misintona ny saina dia ny teratany vahiny no tena mpandrindra ny fananganana ity trano fitahirizan-tsary ity.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 19 janvier 2018 15:16
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Manome hasina ny tantara

    Manana ny tantarany eto Menabe io hazo lehibe iray manoloana ny tranombarotra Farouk io. Teo no voalaza fa naharava ny nofon’Andriandahifotsy. Hofefen’ny Kaominina Morondava izy io ho fanandratana ny hasiny ary hatao vakoka sy hampahafantarina ny vahiny. Nanotrona ny fanombohan’ny asa famefena androany ireo raiamandreny isany, Printsy Kamamy Magloire, Boana Idy, Simon victor, Kolo Rolland ary ny fikamban’ny mpanakanto aty Menabe.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 janvier 2018 19:46
    • Photos FB

    Andohalo: Inauguration de la Place Dox

    Le jardin d' Andohalo dans le 2ę Arrondissement Antananarivo a été réaménagé et porte le nom de l'écrivain-poète Dox ou Razakandrainy Jean Verdi de son vrai nom. Le site a été inauguré ce samedi 13 janvier en hommage à son 105ème anniversaire.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 24