Mitsangana ry Malagasy: Tomefy olona

  • dimanche, 28 août 2016 08:47
  • Tigre
  • Sary Sobika

Tontosa tetsy Andrefan'Ambohijanahary ny hetsika nokarakarain'ny MITSANGANA RY MALAGASY, hetsika izay ivondronan'ireo antoko maro samihafa izay tsy mankasitraka izao fitondrana izao.

Mila mametra-pialana ny filoham-pirenena hoy izy ireo ary efa leo izao zava-misy izao ny vahoaka Malagasy, izay ao anatin'ny fahantrana tanteraka.

Mpitondra mivarotra ny harem-pirenena sy ny Tanindrazana, ao anatin'ny fanitsakitsahina ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona, mampanjaka ny jadona, mamohehitra amin'ny kolikoly isan-karazany, tsy mahafehy ny tsy fandriam-pahalemana.

Mbola hitohy amin'ny herin'ny asabotsy moa izao hetsika izao.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.