Kianjan'ny 13 mai: Toy ny tany miady

  • samedi, 20 août 2016 10:31
  • Tigre
  • Sary Njaka
Raikitahotra ny fitondran'i Rajaonarimampianina araka ny antso nataon'ny AFP, Antso ho Fanavotam-pirenena, ka dia miaramila sy polisy mitam-piadiana zavo-tany no indray nirotsaka teny ankianja.
Fatahorana ny fandalovan'i Joaquim Chissano, iraky ny SADC izay mandalo eto an-toerana dia tsy sahy nisambotra sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso ireto HERY famoretana ireto.
Nisy ny fisavana ny tranon'ny mpitarika ny hetsika moa ny maraina ary hampanantsoina eny amin'ny zandary Fiadanana ny fianakavian'i Faniry Razafimanantany, mpitarika ny AFP.
Nilaza moa izy tamin'ny onjam-peo iray fa hitohy rahampitso ny hetsika ary tsy hiemotra izy na eo aza ireo fampitahorana sy filazana fisamborana.
Raha ireto miaramila rehetra ireto tokoa moa no alefa hiady amin'ny dahalo tsy efa mba milamina ve ny firenena sa Tafika matahotra dahalo fa ny Malagasy iray ra, mitaky ny MARINA sy ny tsy hamarotana Tanindrazana indray no tadiavina ho vonoina?
Maro moa ireo miaramila tafaresaka teny ankianja teny, ary milaza fa nampanantenaina vola 30 000 ariary isan'olona, nefa lasa 10 000 ariary indray, izay mbola tsy nomena akory aza.
Fantatra ihany koa fa nisy Jeneraly maromaro samy nomena 2 miliara ariary avy isan'olona.
Sandaina amin'ny vola iray alina ve izany ny Teny faneva: "Ho an'ny Tanindrazana"?
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.