Sambava : Ilaharana izay tsy izy ny lasantsy

  • jeudi, 11 août 2016 12:21
  • Zakaria
  • Sary Sobika Sambava

Hatry ny omaly no nananosarotra ny fahitana lasantsy eto an-drenivohitry ny Faritra SAVA. Toby mpaninjara solika iray amin'ireo miisa telo misy eto Sambava ihany no mbola nahitana kely androany alakamisy.

Sahirana ireo mpitondra fiara mampiasa lasantsy satria dia ilaharana sy ijaliana vao mahazo. Araka ny fanazavan’ny mpitantana tobin-tsolika iray eto an-tanàna dia noho ny fahataran’ny sambo mpitondra solika ao amin'ny seranan-tsambon'i Vohémar no anton’io tsy fisiana lasantsy io. Na izany aza dia nilaza izy fa mety tsy haharitra io tsy fisiana lasantsy eto Sambava io.

Vokatr’ity fahasarotan’ny fahitana lasantsy ity anefa, dia manararaotra nampakatra 100% ny sarandalany ny Taxi, ka raha 500 Ar isan'olona omaly, dia lasa 1000 Ar izany androany.

station 1

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.