Seranan-tsambon’i Toamasina : Fiara be taona mbola tafavoaka

  • mercredi, 10 août 2016 14:45
  • Zakaria
  • Sary Sobika Toamasina

Nanaitra ny maro ny fahitana fiarabe vitsivitsy navoaka tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly. Fiara efa tsy tokony hahazo hivoaka izy ireo raha araka ny lalàna noho izy ireo efa antitra, mihoatra ny 10 taona, sahala amin’ireo fiara maro tavela ao an-tseranana hatramin’izao.

Olona maro manao fanamiana miaramila no tonga namoaka azy tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’io fotoana io. « Transitaire » vahiny no nanamora ny famoahana azy tao.

Raha ny voalaza hatreto dia fanomezana ho an’ny miaramila ireo fiarabe ireo. Ny lalàna anefa tsy manavaka hoe : rehefa fiara miaramila dia afaka avoaka na antitra aza, izay mety hampidi-doza eny amin’ny lalam-bahoaka eny. Sa andrasana hisy loza indray vao hanapa-kevitra?

Aiza ilay fitondrana tsara tantana sy tany tan-dalàna hirahiraina isan’andro? Fa misy ambon’ny lalàna sy ambanin’ny lalàna indray ve eto. Rehefa azo avoaka ihany ny fiara be taona, maninona no tsy ampisitrahana izany ny rehetra fa avakavahana? Ka ny hafa giazana fa ny an'ny sasany koasa malalaka.

Ny ahian'ny mpanara-baovao dia tsindry bokotry ny be galona indray izao raharaha izao ary ampiasaina ireo miaramila ilazana fa an'ny Tafika ireto fiara, nefa ny ahiahy dia anolon-tsotra ihany ireto fiara fa na bizina ho an'ny be galona na hiafara amin'ny taxi-brousse boeing ihany izy ireto.

sobika Car plus de dix ans 2

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.