Rugby Mahamasina: Saika tsy nahita lalana hivoahana ny PM

  • lundi, 13 juin 2016 11:26
  • Super User
  • Photo: Njaka

Horakoraka sy sioka tsy nifandrenesana no azon’ny Praiminisitra Olivier Mahafaly, lehiben’ny gouvernemanta sy ny minisitry ny fanatanjahantena tetsy Mahamasina raha tonga nanotrona an’i Makis an’i Madagasikara izy ireo omaly alahady, fifaninana teo amin'ny Zambia.

Midika tsy fankasitrahana ireny sioka ireny hoy ny olona izay sendra teny an-toerana, ary teo imason'ny vahiny izay hibitabitahan'ireo mpitondra mihitsy no nanehoan'ny olona amin'arivony izany fahatezerany amin'ny fitondrana izany.

Tsy nahafeno olona i Mahamasina tamin’ity indray mitoraka ity.

Koa anahoana izany amin'ny 26 jona?

Commentaires (4)
  • Viagra Comment Marche [url=http://levinorx.com]viagra online pharmacy[/url] Viagra Generique Site Serieux
    lundi, 24 juillet 2017 05:38
  • ndriana
    salama !
    ka izany no alehany rehefa tsy niomana ny hitondra ka tsy mahay mitondra tena ary matahotra mafy dia mafy ny tsikera ataon'ny olona azy ireo , hita moa ireny amin'ireo karazana adi-hevitra isan-karazany miseho amin'ny haino amanjery tsy miankina , ny RNM sy TVM moa dia tsy hahatafidiran'ny olona mpanohitra mihintsy fa ry ingahy minisitra no mieboebo sy miseho ho tena zavatra jereo anie ny fandaharana ataony hoe ady gasy nefa dia tsy lasa lavitra fa ny eo ambony orona ihany no hita dia ny handrina izany , izay tsy iza fa ny fanindrahindrana ny filou azafady filoha izay raha dinihina amin'ny maha mpanao gazety matihanina azy dia mirefarefa amin'ny tany ilay fotom-pisainana hananan'izy ireo. Mino aho fa mbola avo folo heny mihoatra ny tamin'ny Alahady teo no mahazo azy ireo amin'io fetim-pirenena ho avy eo. Mba mahaiza hoy aho maka lesona amin'ny toe aloha mba ho fivoarana amin'ny lafin'ny fomba fisainana.
    mardi, 14 juin 2016 16:02
  • palladium
    Misy miteny amin'ireo HVM, fa TSY MAINTSY lolohavina an-tampon'ny loha ny mpitondra, ka tsy mety ny manenjika an'izy ireo amin'ny zavatra ratsy ataony, satria ray aman-dreny izy ireo.

    Maninona raha tenenina hoe, tsy azo critiqué-na izy ireo, fa mandrabiraby azy izany... Atao inona démocratie ?

    Atao inona "parlementaires", ka na hi-parlemente aza izy ireo, fehezina ny zavatra ho tenenina?

    MAHAZAKA NY DEMOKRASIA VE NY ETO MADAGASIKARA? Fanontaniana mipetraka!!

    I Rakotovao, fahiny, mandrangitra hoe : "Aiza ny mpanohitra" ? Toherina anefa mimenomenona...

    ARODANY NY DEMOKRASIA DIA SAMY VITA!! FA MBOLA TSY ZAKAN'NY GASY ! NA TSY AZONY ?
    mardi, 14 juin 2016 10:51
  • palladium
    ENJEHO NY MPANAO KOLIKOLY!! TORIO IZY IREO!!
    mardi, 14 juin 2016 10:37
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.