OM-GUY: Halevina any Sahave-Ambohimahasoa

  • lundi, 06 juin 2016 11:47
  • Tigre
  • Sary Sobika Antsirabe

Any Sahave-Ambohimahasoa Fianarantsoa no handevenana an'i Om-Guy, filohan'ny tarika Ny Ainga raha nindaosin'ny fahafatesana teto Antsirabe izy ny alahady atoandro tamin'ny 12 ora sy sasany katroka.

Taorian'ny fahavitan'ny fampisehoana nataon'ny tarika tany Manandona moa no nanambarana tamin'ny fomba Ofisialy fa nindaosin'ny fahafatesana ny atoandro izy. Tsy marina avokoa ny filazana fa mbola notsaboina izy fa naratra mafy satria dia nanambara ny lehiben'ny hopitaly Andranomadio fa tamin'ny 12h26 izy no tonga tao amin'ny hopitaly ary 4 minitra monja dia tsy tana ny ainy, izany hoe, efa nanary aina teny an-dalana izy.

Olona 5 no tao anaty fiara dia mpitendry zava-maneno iray sy ny mpamily ary olona roa hafa.

Ny tranoben'ny kolontsaina Antsirabe moa no niandrasana ny razany ny alina tontolo ka anio amin'ny 3 ora no voalaza fa hiangan'izany hianatsimo.

Eto Antsirabe avokoa no hanaovana ny famangiana ofisialy raha ny fantatra ka isan'ny efa tonga ny mpiara-miasa akaiky aminy, amin'ny maha talen'ny Kabinetra n'ny ministeran'ny fampianarana ambony azy dia ny minisitra Rasoazananera, ny Senateran'i Fianarantsoa Atoa Rina Andriamandavy.

Vory marobe koa ny olona liana amin'ny hijery farany ity mpanakanto ity saingy efa nahiditra ao anaty vata ny razana.

Commentaire (1)
  • Tofranil [url=http://tadalaf20mg.com]online pharmacy[/url] Online Bystolic Prescriptions Propecia Que Necesitan Receta
    mardi, 10 octobre 2017 20:54
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.