Fakana an-keriny : Mitantara i Shane Kourdjee

  • mardi, 19 avril 2016 19:43
  • Zakaria
  • Sary Sobika Antsirabe
Nitantara ny nahazo azy ilay karana, 33 taona, nisy naka an-keriny tao Antsirabe ny alin’ny alakamisy 14 aprily teo. Nambaran’i Shane Kourdjee fa 10 minitra teo ho eo no nitondran’ireo mpaka an-keriny azy tamin’ny fiara dia niditra trano iray izy ireo ary nosoloina avokoa ny akanjony nony tonga tao. Nesorina avokoa ny zavatra teny aminy toy ny famantaranandro sy ny finday sao misy «localisation» na marika amantarana ny toerana misy azy.
Nambaran’i Shane Kourdjee fa tsy nofatorana ny tenany ary tsy niharan’ny daroka ihany koa saingy notampenana ny masony. Nilaza izy fa nomena sakafo izay notadiaviny amin’ny ora fisakafoanana ary mbola nomena fotoana ihany koa izy hivavahana amin’ny oran’izany.
Tsy nahazo nihetsika teo amin’ny fandriana kely iray izy, araka ny fitantarany hatrany, ary olona iray mitana basy Kalachnikov no niandry azy teo. Tsy hitany endrika ilay olona satria notampenana ny masony ary rehefa misakafo kosa izy dia manao sarontava ireo jiolahy.
Raha ny fanambaran’i Shane Kourdjee moa dia volabe no notakian’ireo mpaka azy saingy nihena niandalana izany ka niafara tamin’ny 400 tapitrisa ariary na 2 miliara Iraimbilanja no notakian'izy ireo.
Afaka anefa izy rehefa nanaovan’ny polisy sy zandary hetsika miaraka, ny harivan’ny alatsinainy 18 aprily tao amin’ny Fokontany Mahafaly-Vatofotsy, Antsirabe.
Olona dimy no voasambotra tao anatin’ity raharaha ity, ka tany Fianarantsoa no nisamborana ny iray tamin’ireo. Azo ihany koa ireo fiara roa, Renault Express sy 4x4 Ford Ranger nampiasain’ireo mpaka an-keriny, niampy moto scooter iray ary basy poleta mahery vaika 2 niaraka tamin’ny bala 11.
Tonga teny anivon’ny polisim-pirenena mihitsy moa ny tenany mba nijery ny endriky ireo olona naka an-keriny azy ireo, izay olona tsy nisy avy ao Antsirabe avokoa fa nokaramaina no nahatongavan’izy ireo tao.
Mazava izany hatreto fa misy olona matanjaka ao ambadik'izao fakana ankeriny izao fa tsy tongatonga ho azy.
Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ataon'ny mpitandro ny filaminana ny amin'ireo naman'ny mpaka an-keriny izay tafaporotsaka, sy indrindra ny atidoha niketrika izao raharaha maloto sy mahamoa fady izao.
(Sary Sobika Antsirabe)
Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.