Antsirabe : Avotra teo ampelan-tanan’ireo mpaka an-keriny i Shane Kourdjee

  • mardi, 19 avril 2016 10:59
  • Zakaria
  • Sary Sobika Antsirabe
Nisy ny “Opération Mixte” niarahan’ny teo anivon’ny zandary sy ny polisim-pirenena ny harivan’ny alatsinainy 18 aprily nisamborana ireo mpaka ankeriny ilay karana mpandraharaha iray, Shane Kourdjee, tao Antsirabe.
Tao amin’ny Fokontany Mahafaly-Vatofotsy, aty amin’ny tapany avatry ny tanànan’Antsirabe no nisamborana ireo mpaka an-keriny izay efa azon’ny polisy ny mombamomba azy ireo. Nanomboka tamin’ny 7 ora hariva tany ho any moa izany, izay narahina poa-basy nitsitapitapy.
Vokany olona dimy no voasambotra tamin’izany ka anisany ny olona iray voalaza fa ati-doha nikotrika ny fakana an-keriny. Tany Fianarantsoa ny iray no voasambotra.
Nitaky vola roa miliara ireo mpaka an-keriny ho tambin'ny famontsorana an'i Shane Kourdjee, fa tsy azon'izy ireo izany.
Tratra ny fiara “Renault Expess” nampiasaina nakana ilay teratany karana ny alin’ny alakamisy 14 aprily 2016. Avotra soamantsara ilay karana.
Eo ampiandrasana ny tatitry ny mpitandro filaminana ny tohiny fa efa nalain’ny polisy ilay fiara “Renault Expess” nampiasain’ireo jiolahy sy ny fiara 4X4 voalaza fa an’ilay tompon’ny ketrika.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.