PM Mahafaly Olivier : Mitsangam-bolo ireo Fiangonan-dehibe

  • jeudi, 14 avril 2016 17:32
  • Zakaria
  • Sary Sobika

Mandray ofisialy ny asa maha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy i Solonandrasana Mahafaly Olivier taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy Ravelonarivo Jean, nodimbiasiny toerana, notanterahina ny alarobia 13 aprily 2016.


Izy no mandray ny asany, dia Malagasy maro, indrindra ny Kristianina eo anivon’ireo Fiangonan-dehibe mivondrona eo anivon’ny FFKM no mitsangam-bolo sy velon’ahiahy ankehitriny. Mitamberina ao an-tsain’izy ireo mantsy ny fihazakazahan’ny famoahana fanomezan-dalana antokom-pivavahana hisokatra, nandritra ny roa taona naha minisitry ny Atitany an’i Solonandrasana Mahafaly Olivier, nialoha izao fanendrena azy ho praiminisitra izao.

Nisongadina tao anatin’izany ny hisokafana Mosquée aman’anarivony, izay raha tsinjaraina dia mety ho roa isaky ny Kaominina. Fa ny nanaitra sady mampametra-panontaniana nefa koa mahavelon’ahiahy ny mpino Katolika dia ny nanomezan'i Mahafaly Olivier alalana amin'ny fijoroan’ny ECAM (Eglise Catholique Apostolique Malgache) izay manana ny foibeny any Bekily, Faritra Androy. Olona nandalo tao amin’ny sekoly fanomanana ho pretra Katolika rahateo ny minisitry ny Atitany taloha ity, ka mahalala tsara ny foto-pinoana ao talohan'ny nifindrany finoana zandriny hafa ankehitriny.

Fantatra androany fa dia namoaka didy indray ny 8 april teo i Mahafaly Olivier, ny andro nandravana ny governemanta, ary nampitaina tamin'ny firaiketana ny lalàna ny 13 aprily andro namindrana fahefana amin'ny maha Praiminisitra azy fa dia foanana io fahazoan-dalana nomeny ny Fiangoanana ECAM izay mitondra ny anarana Catholique Apostolique io nefa tsy sampana ary tsy misy hifandraisany amin'ny Fiangoanana Katolika na EKAR io.

Fanjakana laika no misy eto Madagasikara, ary malalaka ny Olompirenena amin’izay finoana harahiny sady zo omen’ny Lalampanorenena azy rahateo. Midika ve anefa izany fa sokafana eto avokoa izao karazam-pinoana rehetra izao na mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny fahalalahan’ny hafa aza ?

Asa tokoa na mety ho fifandrifian-javatra fotsiny ihany na misy ifandraisany amin’izany, fa nanjary isan’ny firenena fiondranan’ireo Silamo mitsoa-ponenana noho ny ady any Syria any i Madagasikara. Rahateo nosokafana ny tambazotra fitaterana Turkish Airlines izay manokatra ny varavaran'ny Madagasikara amin'ny Turquie izay efa tobipamaharan'ireo silamo mahery fehetsika, izay mitondra ireo tanora manapoaka vatana any Eropa amin'izao.

Tato ho ato ihany koa dia nanjary lasibatry ny mpangalatra ny lakolosin’ireo Fiangonan-dehibe mivondrona eo anivon’ny FFKM, toy ny an’ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) tamin’iny Faritr’i Menabe sy Atsimo Andrefana ary Androy iny. Lasibatra ihany koa ny an’ny EKAR (Eglisy Katôlika Apôstôlika Romana), vao farany teo tao Amparafaravola.

Tsy tongatonga ho azy koa ny fanenjehana totoafo sy fanalam-baraka ny filohan’ny FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara), Rasendrahasina Lala, Mpitandrina farany teo ireny.

Inona no mbola hiseho amin’izao Solonandrasana Mahafaly Olivier praiminisitra izao ? Ho hita eo ny tohiny !

sobika Abrogation ECAM

passation pm 06

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.