Fakana an-keriny : Nivoaka tamin’ny fahanginany ny rain’i Arnaud

  • mardi, 12 janvier 2016 21:29
  • Britto
  • Sary Sobika Toamasina
Niantso mpanao gazety ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Rajaona Thierry, androany, nanazavany ny mikasika ny raharaha Arnaud, ilay tovolahy 17 taona, zanaka mpandraharaha nisy naka an-keriny niaraka tamin’i Annie, anabaviny, ny 23 novambra 2015. Nanotrona azy i Ramialiason Arlan, rain’i Arnaud.
 
Tamin’ny teny hentitra sy endrika malahelo no nilazan’ny rain’i Arnaud, ny tao am-pony fa “Aoka hijaona amin’ny fakana an-keriny an-janako ny tranga Fakana an-keriny eto, fa tsy azo ekena izany fitadiavam-bola amin’ny fanaovana takalon’aina olona izany. Hofongorina izao tambazotra izao, fa tsy azo ekena raha ao anatin’ny herintaona monja dia am-polony ny tranga nisy, fianakaviana maro no mitaintaina, ary misy mihitsy ny mamoy ny ainy”.
 
Nomarihany fa salama tsara ny zanany na somary mbola manahirana ihany aza ny miresaka aminy tamin’ny zavatra nahazo azy, na efa vita aza ny fakana am-bavany azy nataon’ny polisy. Nisaotra ireo mpitandro ny filaminana nanafaka an-janany teo ambany ziogan’ireo nihazona azy an-keriny, sy ireo vahoaka nifampizara ny vaovao taminy nahafahana nanafaka an-janany izao moa ny tenany.
 
Fitsikerana ny mpanao gazety kosa no nanombohan’ny tonia mpampanoa lalàna Rajaona Thierry, ny resany. “Tsy misy izany mpitsara tafiditra amin’ireo raharaha izao izany ! Tsy misy koa izany tranona mpitsara nahatrarana an’i Arnaud izany ! Tsy misy ihany koa izany fisavana tranona mpitsara izany, ary tsy tafiditra amin’izao raharaha izao ny mpitsara Jackie, koa aoka hilamina hatreo ny momba izany satria tsy mpitahiry jiolahy ny Fitsarana ary tsy jiolahy ny mpitsara eto Toamasina”, hoy izy tamin’ny teny hentitra.
 
Nambarany anefa fa tena tafiditra amin’ity raharaha ity i Freddy na mbola migadra ao Tsiafahy aza, satria voaray avokoa ny resaka nifanaovany tamin’i Borille Jean, mpandraharahan’ny fonja ao Toamasina nifandray tamin’ny mpaka an-keriny tamin’ny fitakiana ny vola. Toy izany koa ny an’ireo mpivady tompontrano nahatrarana an’i Arnaud tao Andranomadio Toamasina, Parcelle 11/41, sy ny zanak’izy ireo vavy, izay mpanatitra ny sakafon’i Arnaud nandritra izao fihazonana azy izao.
 
Mitohy ny fanadihadiana, mitohy ihany koa ny fitadiavana ireo mpiray tendro tao anatin’ity raharaha ity, hoy hatrany ny tonia mpampanoa lalàna. 
 
Nolazainy kosa fa tsy hisy hahazo fahafahana vonjy maika izany amin’izao raharaha izao na dia hangataka aza izy ireo.
 
Tantara mitohy
 
Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.