Niditra antsehatra amin'ny ady any Syrie ny Sinoa

  • samedi, 03 octobre 2015 22:37
  • Tigre
  • Photo Net
Nizotra nihazo an'i Syrie ny sambo vaventy nokleary sinoa izay hifanampy amin'ny Rosianina sy ny Iranianina hiady amin'ny terorista sy hiaro an'i Bachar al-Assad filoha sirianina izay tsy eken'ny Amerikanina sy ny Frantsay intsony.
 
Hienjana ny tady satria dia nodarofan'ny Rosianina ireo mpanohitra ny fitondran'i Bachar al-Assad izay tohanana sy vatsian'ny Amerikanina fitaovam-piadiana.
 
Etsy ankilany dia nodarofan'ny Amerikanina baomba ihany koa ny tatsy Afghanistan, izay akaiky sy harovan'ny fitondrana rosianina, nefa hopitaly no voa tamin'izany.
 
Ny Sinoa anefa no mpamatsy sy mpividy entana be indrindra atsy Eropa ka atahorana ny famaizana ara-toekarena mety ataon'ny Sinoa amin'ny Eropeanina.
Vaky barara aza moa ny Chancelière allemande Angela Merkel hoe aleo miara-miasa amin'i filoha syrianina Bachar al-Assad amin'ity ady atao amin'ny mpampihorohoro terorista ity. 
 
Madagascar hatreto dia misafidy ankolaka ny hiaraka amin'ny amerikanina sy ny frantsay amin'ny alalan'ny politika famatsiam-bola miaraka amin'ny Fmi sy Banky iraisam-pirenena izay ny Amerikanina sy ny Frantsay no mifehy azy fa tsy mbola hita soritra ny mety hiarahany amin'ny BRICS izay famatsiam-bola mirona any amin'ny Brésil, Rosianina, Inde, Chine, Afrique du Sud.
 
Sa hanoy ny politika misabaka hatrany ? 
Tandremo aza sao hanao an'ilay vavy antitra miampita tatatra ka hampisokatra ny efa mikatona.
Commentaires (2)
  • Propecia With Minoxidil Male Pattern [url=http://sildenaf100mg.com]viagra[/url] Secure Tab Progesterone On Line Overseas With Free Shipping Highland
    lundi, 02 octobre 2017 12:02
  • Trouver Cialis Pas Cher Paris [url=http://cialtobuy.com ]cialis[/url] Cipro Without Prescription
    Medicamento Cialis 10mg
    Cialis Soft Achat Online buy cialis Zithromax Abdominal Cramps
    samedi, 16 septembre 2017 01:27
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.