Frantsa : Nihaona i Ravalomanana-Rajaonarimampianina

  • samedi, 07 décembre 2019 22:19
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nihaona tany Paris Frantsa, androany, ny filoha teo aloha isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Tsy nisy fanambarana iombonana taorian'ny fihaonana. Tombanan'ny maro fa niresaka momba ny raharaham-pirenena ny roa tonta, indrindra mikasika ny fifidianana kaominaly farany teo iny.

Ny HVM rahateo nanao fanambarana miantso ny Malagasy hijoro hiaro ny fahamarinana, manoloana ny fanosihosena ny zony maha olom-pirenena tamin'ireo fifidianana nifanesy.

Ny TIM, androany, nampiantso olona tao amin'ny Foibeny ao Bel'Air Antananarivo, manohitra ny hosoka sy ny fandikan-dalàna maro niseho tamin'iny fifidianana iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.