« Kidnapping »: Nangingina efa ho herintaona izay

  • mercredi, 06 novembre 2019 09:50
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Nahitam-bokatra ny ady amin’ny fakana an-keriny eto Madagasikara. Tamin’ity taona 2019 ity fotsiny izao, jiolahy raindahiny amin’ny fakàna an-keriny maromaro no tra-tehaka, toa an-dry Boly, Rasamy, Ralava na Alain, Rams, Ra Fy, Sôla sns.

Niaina tamin’izany asa ratsy izany nandritra ny taona maro ireo olona ireo sy ny fianakaviany. Tany amina hekitara maro, trano mijoalajoala, fiara maro, ireo no anisan’ny handanian’ireo jiolahy ny vola natao takalon’aina tao anatin’ireo tranga fakana an-keriny maro niseho ireny.

Na nisy aza ny fisamborana azy ireo, dia toy ny miala sasatra fotsiny izy ireo any am-ponja ; miaina an-kahalalahana sy milamina tsara ihany koa ny fianakavian’izy ireo, tsy nisy nogiazana akory ny fananana. Dia mametra-panontaniana ny maro manoloana izany hoe, aiza ho aiza moa izao ilay lalàna momba ireo harena azo tsy ara-drariny na tamin’ny asa ratsy ?

Tsy ireo teratany vahiny irery intsony no lasibatra amin’ity fakana an-keriny na kidnapping ity, fa na ny teratany Malagasy ihany koa dia voakasik’izany tanteraka, ary saika nanerana ny Faritra teto amin’ny Nosy nahenoana tranga fakana an-keriny avokoa, ary niseho tamin’ny endriny samihafa.

Nisy teratany karana, ihany ambadik’ireny fakàna an-keriny ireny, saingy tsy mipetraka eto an-toerana intsony, nitsoaka any ivelany rehefa azo ny volabe, milamina tsy misy mpanenjika, nefa manana orinasa eto an-toerana.

Na dia nangingina aza anefa ny resaka « kidnapping » efa ho herintaona izay, dia miezaka hatrany ireo fikambanana toa ny CFOIM sy ny mpitandro filaminana hamongotra izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.