Dadah (Mahaleo): Nodimandry tampoka androany, teo amin’ny faha-65 taonany

  • dimanche, 03 novembre 2019 17:05
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka androany alahady 3 novambra 2019 teto Antsirabe i Andrianabela Rakotobe, izay fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe: Dadah.

Tonga an-tanindrazana hamangy azy ray aman-dreniny ny zanany mipetraka any an-dafy, teo ampisakafoanana atoandro ny ankohonana no nitambotsotra tampoka i Dadah. Nezahina novonjena tany amin’ny mpitsabo, fa tsy tana ny ainy, na dia natao avokoa aza ny ala nenina rehetra.

Mbola vonton’alahelo loatra tamin’ny nahafatesan’i Fafah i Dadah izay namany akaiky, latsa-dranomaso mihitsy ity farany tamin’ny seho « Ny fihavananay » nataony niaraka tamin’i Farakely sy Rakotomalala Ony taorian’ny fandevenana an’i Fafah, hoy ny manodidina azy, ka mety niantraika tamin’ny fahasalamany izany.

Isan’ireo fito lahy mpikambana mpamorona ny tarika Mahaleo i Dadah. Mpamoronkira, mpitendry gitara sady mpihira ity.

Manana tarika, azy manokana, ihany koa izy, Dadah Rabel ary nampiara-peo tamina mpanakanto maro, indrindra ny tanora.

65 taona i Dadah izao nodimandry izao. Dokotera, mpadidy tao amin’ny HRJA Ampefiloha ny asa niandraiketany talohan’izao nahafatesany izao.

Telo ireo mpikambana tao amin’ny tarika Mahaleo efa nodimandry talohany, dia Raosolosolofo Razafindranoa na Raoul, nodimandry tao Toamasina ny 3 septambra 2010 ; Andrianabelina Rakotobe na Nônô, nodimandry teto Antananarivo ny 29 aogositra 2014 ; ary Rajaonarison Famantanantsoa na Fafah nodimandry teto Antananarivo ny 20 oktobra 2019.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.