Bakalorea 2019-Toamasina: Nisy mpiadina naratra voatora-bato

  • mercredi, 02 octobre 2019 20:19
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Nitrangana sakoroka tamin'ireo foibem-panadinana bakalorea sasany teto Toamasina noho ny fielezan'ny feo fa nisy fivoahan'ny laza adina taranja fizika mialoha ny fotoana ho an'ny "série A2" ity. Raha vao nahare mantsy ny "série C" sy "série D" fa tsy nisy olana ny laza adinan'izy ireo dia niditra an-dakilasy izy ireo tamin'ny 10ora nanohy ny azy.

Teo no naharomotra ny "série A2", ka tao amin'ny foibem-panadinana Stella Maris dia nitora-bato ireo mpiadina "série D" sy "série C" niatrika ny fanadinany ireo mpiadina "série A2". Nisy mpiadina telo naratra izay voatery nentina hopitaly mihitsy satria nisy toran'ny tora-bato.

Tamin'ny 11ora raha tonga ny laza adina faharoa fanolo rehefa sendra olana toy izao, dia nanao ny fanadinany ihany ireo mpiadina amin'ny "série A2".

Nahemotra ho amin'ny zoma izao ny taranja tantara sy jeografia tokony natao androany tolakandro, fa ny taranja tokony hatao ny alakamisy dia mitohy hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.