Governemanta: Nametra-pialana ny praiminisitra Ntsay Christian

  • jeudi, 18 juillet 2019 12:51
  • Britto
  • Tahirin-tsary

Nametraka ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian androany. Voaray ary neken’ny filohan’ny Repoblika izany, araka ny fanambarana nataon’ny Sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika Dina Andriamaholy, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany antoandro.

13 volana sy 11 andro no naha Praiminisitra lehiben’ny governemanta an’i Ntsay Christian, ka ny 7 volana voalohany nitarihany ny governemantan’ny marimaritra iraisana, ary ny 6 volana, taorian’ny fanendrena tamin’ny volana janoary 2019, vao vita fihanianana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.

Araka ny andininy faha 54 amin’ny Lalampanorenana, dia ny antoko na vondrona antoko manana maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena no manolotra anarana amin’ny filohan’ny Repoblika hotendrena praiminisitra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.