Antenimieram-pirenena: Voafidy 100% ho filoha Razanamahasoa Christine

  • mardi, 16 juillet 2019 21:58
  • Britto
  • Tahirin-tsary

147 ny isan'ireo depiote niatrika fivoriana nifidianana izay ho filohan'ny Antenimieram-pirenena natao androany tolakandro. Kandida tokana tsy nisy mpifaninana Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD voafidy tao Ambatofinandrahana sady solombavambahoaka zokiolona ao Tsimbazaza ihany koa.

Nandatsa-bato ho azy avoaka ireo depiote 147 tonga, ka nahavoafidy an-dRazanamahasoa Christine ho filohan'ny Antenimieram-pirenena.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.