Nicolas Dupuis: Hotazomina ho mpanazatran'ny Barea

  • dimanche, 14 juillet 2019 17:09
  • Britto
  • Sary Njaka

Raha ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra no mpifantina sy mpanao fifanarahana ny amin'izay ho mpanazatra nasionaly ny ekipam-pirenena dia ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina mihitsy no nanambara ampahibemaso teo Mahamasina, nandritra ny fandraisana ny Barea tonga eto Madagasikara avy niatrika ny CAN, fa hotazomina ho mpanazatran'ny Barea an'i Madagasikara ilay frantsay Nicolas Dupuis.

Hisy fitsirihana sy fanomanana dieny izao ireo katita mpandimby hoavin'ny kitra, hoy hatrany ny filoha.

Heverina fa tolo-tanana no ataon'ny Fanjakana ny hitazomana an'i Nicolas Dupuis fa tsy fitsabahana amin'ny raharahan'ny federasiona, hoy ny fanamarihana nataon'ny mpahay momba ny spaoro federaly.

Voafatotra amin'io safidy fanapahan-kevitry ny Fanjakana io ny filohan'ny federasiona Malagasy ny baolina kitra hofidiana afaka volana vitsy.

Nitondra anjara biriky betsaka, tsy ara-teknika ihany, fa nahafoy fananana, indrindra ara-bola, i Nicolas Dupuis, nahatongavan'ny Barea tamin'iny dingan'ny ampahefa-dalana tamin'ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika amin'ny baolina kitra, andiany faha-32 tany Egypta iny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.