Jaona Elite: Andrasana eny Tsimbazaza ny nofomangatsiakany

  • mardi, 09 juillet 2019 17:12
  • Zakaria
  • Sary nindramina, fony izy nandrasana tao amin'ny fianakaviany

Nigadona teny amin’ny Antenimieram-pirenena androany tolakandro ny nofomangatsiakan’i Randriarimalala Harijaona na « Jaona Elite ». Andrasana eny ny faty anio alina, ary eny no hiainga ho eny amin'ny fiangonana FJKM Andravoahangy Fivavahana hanaovana ny fanaovam-beloma azy farany, mialoha ny fandevenana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ankatso rahampitso alarobia 10 jolay.

Solombavambahoakan’Antananarivo Atsimondrano teo aloha (2013-2018) izy. Nitarika vondrona parlemantera GPS (Groupe Parlementaire Spécial), talohan’ny naha filohan’ny vondrona parlemantera HVM (Hery Vaovao ho an’i Madagasikara) azy teo amin’ny Antenimieram-pirenena. Nirotsaka hofidiana tamin’ity 2019 fa tsy lany.

Nodimandry tampoka teo amin’ny faha-42 taonany i Jaona Elite. Narary tampoka teo ampijerena lalao baolina kitra tamin’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, nihaonan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Léopard an’i Repoblika Demokratikan’i Congo, niaraka tamin’ireo namany teny amin’ny Akoor Digue izy ny alin’ny alahady teo.

Tanora niotra tamin’ny fiainana i Jaona Elite. Nandalo sedra maro izy vao lasa mpandraharaha nanana ny lazany. Nanangana orinasa izay nampiasa olona maro izy, toy ny Tecno Madagascar, Elite GSM, Madinox, Big Pizza, Resto Grill.

Mankafy fanatanjahantena izy, tia koa ny spaoro mekanika toy ny Rallye sy Run. Mpankafy fiara sy moto ihany koa fahavelony.

Namela vady sy kamboty 3 mianadahy izy.

(Sary nindramina, fony izy nandrasana tao amin'ny fianakaviany)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.