Kandida Za Gasy : Nidoboka vonjimaika ao Tsiafahy

  • vendredi, 31 mai 2019 21:52
  • Zakaria
  • Sary fanehoana nindramina

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Tsiafahy. Izay no didy savaranonando nivoaka, androany, taorian'ny nanoloran'ny Zandary tamin'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny filoha nasionalin'ny fikambanana Za Gasy, sady kandida tamin'ny fifidianana Depiote farany teo, Ratiharison Jean Navandahy.

Ny marainan'ny talata 28 mey teo no nisamboran'ny Zandary azy taorian'ny fitoriana nataon'ny fianakavian'ilay tovolahy naratra mafy vokatry ny herisetra nataon'itsy kandida itsy sy andian'olona nanaradia azy, raha avy nifidy teny Ambohipotsy ny 27 mey ilay tovolahy, ary notsaboina tao amin'ny HJRA Ampefiloha.

Tsy nahatsiaro tena ilay tovolahy tonga tao amin'ny hopitaly vokatry ny dona sy fahavoazana mafy tamin'ny loha. Nodimandry omaly alakamisy 30 mey io tovolahy io.

Io vono olona niniana natao io no anisany vesatra nitarika ny fitanana am-ponja vonjimaika ny kandidan'ny Za Gasy, sy olona roa mpiradia aminy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.