Andry Rajoelina : « Voatery hiandry indray izany ny fitsinjaram-pahefana tena izy »

  • vendredi, 26 avril 2019 10:21
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fotoana fohy taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny heviny (Avis n°07-HCC/AV du 25 avril 2019) araka ny fangatahan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, dia naneho ny heviny tao amin’ny pejy facebook ity farany, milaza fa ny fanapahan-kevitra rehetra raisiny dia natao ho an’ny tombotsoan’ny Vahoaka Malagasy sy hampandrosoana haingana ny firenena. « Ary nianiana aho fa hanaja toy ny anak’andriamaso ny Lalampanorenana ».

Nanontany ny hevitry ny HCC momba ny fitsapa-kevibahoaka kasaina ho atao ny tenako, hoy i Andry Rajoelina ary « manaja izay nambarany ».

Nampahatsiahy i Andry Rajoelina fa « Ny vahoaka no nanaovako velirano. Ny fanatsarana ny hoavin’ny Malagasy no nanolorako tena. Rariny sy hitsiny noho izany raha mitodika any aminy aho, mangataka ny heviny ».

Indrisy anefa, hoy izy, fa « voatery hiandry indray izany ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hisian’ny fampandrosoana eny ifotony izay efa nandrasan’ny vahoaka hatrizay ».
Namarany ny teniny ny hoe « Ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny fanasoavana ny vahoaka Malagasy no tokony ambony noho ny adilahy politika ».

Raha tsiahivina moa dia efa nanapa-kevitra ary efa nampiantso, tamin'ny alalan'ny didim-panjakana, ny vahoaka Malagasy andeha hifidy amin'ny alalan'ny fitsapan-kevibahoaka izy talohan'izao fangatahana ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana izao.
Ny CENI koa tetsy andaniny dia efa niroso tamin'ny fanomanana rehetra momba ny fifidianana.

Ny Filoha rahateo dia efa afaka mampihatra ireo lalàna maro be efa misy ho fampandrosoana ny faritra, toy ny fampiakarana ny vola miditra amin'ny fokontany, ny kaominina, hanaovana ireo foto-drafitrasa rehetra. Amin'izao dia 5% ihany ny teti-bola miverina amin'ny faritra, ny 95% ny fanjakana foibe no mitantana sy manapaka azy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.