Rugby: Tompondakan'i Afrika ny Makis U20

  • lundi, 22 avril 2019 08:19
  • Zakaria
  • Sary nomena

Voahosotra ho Tompondakan'i Afrika Vondrona B taona 2019 ny Makis Madagascar, sokajy latsaky ny 20 taona eo amin'ny taranja rugby, rehefa nandresy an'i Zimbabwe mpampiantrano 27-25 tamin'ny famaranana.

Nanamontsana an'i Maroc tamin'ny isa 65-00 ihany koa isika teo amin'ny manasadalana.

Miakatra Vondrona A izany isika ka afaka hifanintsana amin'ny fifaninana hiadiana ny ho tompondaka erantany.

Tafaverina an-tanindrazana omaly alahady 21 aprily ny ekipam-pirenena Malagasy. Nafana ny fitsenana azy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato hatreny amin'ny Araben'ny fahaleovantena.

Taranjam-panatanjahantena isany ahombiazantsika ny rugby. Olana ny fotodrafitrasa sy sekoly fanomanana ireo katita mpandimby.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.