Tahirin-tsary: Fampirantiana sary ataon'i RAKOTOBE

  • mercredi, 17 avril 2019 10:56
  • Njaka
  • Sary Njaka

Nanomboka omaly talata 16 aprily ny fampirantiana sary ataon'i RAKOTOBE Michel, izay atao ao amin'ny CMDELAC Analakely. Anisan'izany ireo sary mahakasika ny fankalazana ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947 sy ireo rakitsary momba izany tolona izany.

Marihina moa fa i RAKOTOBE dia mpitahiry sary ary mpaka sary an-gazety ihany koa. Anisan'ny tena ilain'ny mpianatra na mpampianatra sy ireo mpandalina itony fampirantiana itony.

Hifarana amin'ny sabotsy ho avy izao izy ity, izay eo ambany fiahian'ny ministeran'ny kolontsaina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.